Vakio miaraka amin'i Akili - I

5 k+
Baixades
Classificació del contingut
Per a tots els públics
Imatge d'una captura de pantalla
Imatge d'una captura de pantalla
Imatge d'una captura de pantalla
Imatge d'una captura de pantalla
Imatge d'una captura de pantalla
Imatge d'una captura de pantalla

Sobre l'aplicació

INONA NY TIANAO ATAO?

Fantaro i Akili sy ny namany ary ny zavatra tian’ny zareo atao!
Iza no tia mitsambikina eny antampon’ny tendrimbohitra? Iza ilay mpandoko amin’ny paleta miloko maro? Ary iza ilay tsy mitsahatra mandihy?
Ho fantatrao izany rehetra izany ao anatin’ity tantara mahaliana ity. Hozarainao miaraka amin’i Akili ve inona no tianao atao?

FANDAHARAM-POTOANA

* MAMAKY mampiasa ny lentam-pahasarotana
* MANDINIKA teny, sary ary hevitra amin’ny alàlan’ny endri-javatra mifandray
* MIHAINO tantara feno sy fomba fiteny
* MIFANDRAY amin’ny mpilalao sy ny tontolo — Ianao no manao ny tantara
* AKILI sy ny namany no mitantara azy hatramin’ny farany
* MAZOTOA mianatra mamaky

MAIMAIM-POANA, TSY MISY DOKAMBAROTRA, TSISY VAROTRA AN-KERY!

Maimaim-poana ny atiny rehetra, noforonin’ny Curious Learning sy Ubongo ..

NY FANDAHARAM-POTOANA AMIN’NY FAHITA LAVITRA - AKILI AND ME

Akili and Me dia kilalaon-tsaina amin’ny alàlan’ny sarimihetsika, noforonin’ny Ubongo, mpamorona ny Ubongo kids sy Akili and Me - fampianarana mahafinaritra vita tao Afrika, hoan’ny Afrika.

4 taona i Akili, ary mipetraka miaraka amin’ny fianakaviany izy eny am-pototry ny tendrimbohitra Kilimanjaro, ao Tanzania. Manana tsiambaratelo izy: rehefa tafatory izy amin'ny alina dia miditra ao amin'ilay tanàna mahagaga antsoina oe Lala Land, toerana hianarany sy ny biby namany, momba ny fiteny, litera sy isa ary zava-kanto, sady manatsara toetra no mifehy ny fih -pony ary manova malaky ny fiainan'ny ankizy! Miaraka amin’ny fampielezana manerana firenena dimy, ary fanarahana azy mavitribitrika amin’ny aterineto, tian’ny ankizy maneran-tany mihitsy ny fianarana majika miaraka amin’i Akili!

Jereo ny horonan-tsary Akili and Me amin’ny aterineto ary tsidio ny tranonkala www.ubongo.org raha mandeha amin’ny firenenao ny fampianarana.

MOMBA NY UBONGO

Ubongo dia orinasa sosialy mamorona kilalaon-tsaina mampiasa ny teknolojia efa misy, hoan’ny ankizy ao Afrika. Manentana ny ankizy HIANATRA SY HITIA FIANARANA!

Manandratra avo ny herin’ny fialam-boly, ny fihitaran’ny haino aman-jery ary ny teknolojian’ny finday hanomezana fampianarana sy fanabeazana avo lenta.

APRENENTATGE MOMBA NY

Curious Learning dia orinasa tsy mitady tombony, nitokana hampianatra hamaky teny sy hanoratra hoan’ireo olona te hianatra. Vondrona mpikaroka, mpamokatra ary mpanabe izahay, nitolo-tena hampianatra ankizy amin’ny fitenin-drazany maneran-tany amin’ny alàlan’ny porofo mivaingana sy antontan’isa voamarina.

MOMBA NY APPLI

Vakio miaraka amin'i Akili - Inona Ny Tianao Atao? Dia noforonin’ny sehatry ny Curious Reader, novokarin’ny Curious Learning hananganana traikefa famakiana manaitra sy mahaliana.
Data d'actualització:
31 de març 2022

Seguretat de les dades

La seguretat comença en entendre com els desenvolupadors recullen i comparteixen les teves dades. Les pràctiques de privadesa i seguretat de les dades poden variar segons l'ús que es fa de l'aplicació, la regió i l'edat. El desenvolupador ha proporcionat aquesta informació i és possible que l'actualitzi al llarg del temps.
Aquesta aplicació pot compartir aquests tipus de dades amb tercers
Ubicació, Activitat en aplicacions i Informació i rendiment de l'aplicació
Aquesta aplicació pot recollir aquests tipus de dades
Ubicació, Activitat en aplicacions i Informació i rendiment de l'aplicació
Les dades s'encripten mentre estan en trànsit
Les dades no es poden suprimir
Compromès a seguir la política d'aplicacions per a famílies de Play

Novetats

Updating for new Google policies and for newer device compatibility.