Fiadanan'ny Tompo ho aminao!
"Mifankazara @ Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao." (Jobah22:21).
Amanalina maneran-tany no efa mandray Teny Zaraina isan'andro, @ alalan'ny sms, Facebook, mail, ... endrika vaovao ahafahanao handray izany izao application izao!
Application Teny Zaraina - Anisan'ny tsangambaton'ny faha-15 taona nisiany.
NY MAMPIAVAKA AZY:
. Afaka mampiasa na inona na inona anaram-piangonana misy anao.
.Fomba tsotra,haingana,mazava, ahafahanao hifandray @ ilay Andriamanitry ny Baiboly.
. Hanampy anao be eo am-piatrehana ireo adinao na mbola tsy Kristiana aza ianao.
. Tsy mety lany andro ny 80% ny Teny Zaraina! Hahasoa anao foana ny hamaky azy!
Ireto avy no hitanao ato:
. Toriteny fohy isan'andro sakafom-panahy, fampaherezana, fahalalana, fanitsiana, ... ho entinao hiantrehana ny tontolo andro.
. Lohahevitra maro momba ny fiderana, vavaka, ... Mba hahafahanao hitombo aram-panahy.
. Fijoroana vavolombelona ho an'ireo izay efa nandray ireo Teny Zaraina.
. Vavaka taridalana ho fanampiana anao.
. Hira sy Rakin-tsary izay notsongaina manokana, na momban'ny firenena, na firaisan'ny Mino, na momba ny fifohazampanahy.
. Fahafahana miresaka mivantana @ alalan'ny Chat, afaka hangatahana vavaka,...
Efa tena akaiky ny fihavian'ny Tompo! Efa miseho avokoa ireo famantarana efa voasoratra ao @ Baiboly. Ilaina ny manana fomba fifandraisana akaiky @
Andriamanitra! Hanampy anao be dia be @ izany ity Application vaovao ity.
Manasa anao ary!
Ratrema Xavier Jean Luc
Mpiandraikitra voalohany.
Mankasitraka manokana an'i Ichtus IT nanatontosa an'izao application izao.